Nitarika fivoriana maika teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean, omaly maraina mahakasika ny fepetra horaisina tamin’ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza « Chedza » sy ny fiahiana manokana ireo traboina rehetra manerana an’i Madagasikara
Nanome baiko ny tenany ny amin’ny hanovana ny fomba fiasa, anisan’izany ny hanalana ny fako rehetra eto Antananarivo izay manaratsy endrika ny tanàna, ny fanamboarana ny lalana izay misy lavadavaka rehetra sy ny fijerena manokana ireo traboina. Nivoitra nandritra ny fivoriana ihany koa ny fandraisana fepetra amin’ny fiakaran’ny rano, ny fandravana ny trano izay miorina eo ambonin’ny lakandrano, ny fangalana ny tsikafona rehetra izay misy eny Anosibe sy ny manodidina, ny fanamboarana ny lalana tapaka na ratsy eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra, ny fijerena manokana ireo traboina na eto Analamanga na any Menabe na any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany izay tsy mitsahatra mitombo ny isany. Nanatrika ny fivoriana ny mpikambana ao amin’ny governemanta na ny solontenany miampy ireo tompon’andraikitra mahefa avy amin’ ny BNGRC, METEO, APIPA, CPGU, FID, ny Sampana mpamonjy voina ary ny avy amin’ny SAMVA avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.