Araka ny didy fanapahana D18 navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia ny praiminisitra lehiben`ny governemanta no tena mitantana ny raharahram-panjakana amin`izao na koa ny raharaham-pifidianana miaraka amin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).
Tomponandraikitra voalohany amin`ny fitandroana ny filaminana, ny fampanajana ny lalàna… eto amin`ny tany sy ny firenena ny praiministra Ntsay Christian. Toa lasa vanim-potoana fanararaotana amin`izao satria heverin`ny sasany fa marefo ny fitondrana amin `ny hoe sahirana amin`ny fifidianana. Raha ny fanadihadiana natao, nitombo avo roa heny ny tahan`ny fandikan-dalàna eo anivon`ny Fitsarana ka midika fanaraotana. Misedra olana ny fitantanana raharaham-panjakana satria ny mpikambana eo anivon`ny governemanta dia lasa mpifanandrina ara-politika ary tsy manana firaisankina intsony. Raha tsy voafehin`ny praiminisitra ny raharaham-pirenena, mila manome baiko mifanandrify amin`izany ny filoham-panajakana, Rivo Rakotovao. Ny fikatsahana ny tombontsoan`ny vahoaka Malagasy no tokony hojerena, izay vao miditra amin`ny politika, Mila manome toromarika ny praiminisitra sy minisitra eo ambany fifehezany mba ahafahana manatsara ny fiainan`ny vahoaka Malagasy, indrindra mandra-piandry ny 25 janoary 2019, izay daty voatondro andraisana izay filoham-pirenena vaovao araka ny lalàmpanorenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.