Actualités

Praiminisitra Kolo Roger Nanesoeso an-dRavalomanana sy ny FFKM


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Rehefa avy niato kely nisakafo ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly alina dia niroso tamin’ny famaliana ny fanontaniana amin’izay ny praiminisitra Kolo Roger nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany alina ary nifarana tamin’ny 12ora10mn alina

Resaka lavabe momba ilay sambo mpitsabo Mercy Ship miantsona ao Toamasina no nisantarany izany, izay nambarany fa anisan’ireo asa goavana vitan’ny fitondram-panjakana. Aorian’ny 8 volana hijanonany ao Toamasina dia nambaran’i Dr Kolo Roger fa mety ho any Toliara  na Tolagnaro na Antsiranana indray ity sambo hopitaly ity hitsabo maimaimpoana ny olona marary na mila fandidiana. Fa somary nanaitra ihany ny karazana hanihany sy esoeson-teny nataon’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta momba ny hetsika fampihavanam-pirenena ataon’ny FFKM. Tsapa tamin’ny fomba firesany fa tena manamaivana io hetsika io ny tenany. Fa nahazo ny anjarany ihany koa alina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nambaran’ny praiminisitra Kolo Roger fa ambenana ao amina trano tsara be ( ?) any Antsiranana ity filoha teo aloha ity ary tsy hahita toerana tsara mihoatra izany intsony izy ka inona indray no mbola tadiaviny. Omaly alina ihany koa no nahafantarana, araka ny tenin’i Kolo Roger nanoloana ireo solombavambahoaka fa nivory maika ny marainan’ny nisehoan’i Marc Ravalomanana voalohany teny Faravohitra izy ireo ny alatsinainy 13 oktobra, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany ny mpitondra fanjakana ambony. Hoy indrindra i Kolo Roger :   « nifanontany izahay, fa samy tsy nisy nahafantatra hoe ho tonga na ho avy izy. Tsy nanao mazia anefa izy fa tsy maintsy nandeha fiaramanidina. Efa saika tsy hanao na inona na inona ihany izahay fa rehefa niresaka ka nanao teny mahery kosa ingahy Ravalomanana dia tsy maintsy nihetsika ny fitondrana, dia iny efa niaraha-nahita iny ny zava-niseho… ». Hafahafa ihany ny fomba firesak’ingahy praiminisitra alina teny Tsimbazaza, izay nataony tamin’ny fitenim-paritra sy fiteny frantsay moa. Mahavelom-panontaniana  hoe tahaka izany ve no fomba firesaky ny mpitondra fanjakana  ambony mandritra izao fotoana hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena izao ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT