Nampaneno lakolosy ny Hetsika Vonjy Aina sy ny Profesora Ranjeva Raymond raha nisafidy ny hangina ny ankamaroan’ny mpanao politika eo ampiandrasana ny taona vaovao 2015. Ny hisorohana ny zava-doza mety hiseho eto amin’ny firenena no antony, araka ny efa
nambaran’izy ireo tamin’ny 13 aogositra 2010 ary mbola nampahatsiahiviny indray omaly. Nohamafisiny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena nifandimby, ny famerenana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenana ary ny famerenana ny hasin’ny Fanjakana. Natao ny 19 desambra 2014 ny fihaonana an-tampony, notarihin’ny FFKM. Nanamarika anefa i Pr Ranjeva Raymond fa tokony ao anatin’ny mangarahara no anaovana izany, mila misokatra ary andraisan’ny rehetra anjara hialana amin’ny fifampiahiahiana satria ny tena fifampihavanana, hoy izy, dia mitondra any amin’ny dinam-piarahamonina vaovao iaraha-mamolavola sy ny fanandratana ny tena hasin’ny fanjakana ary lalampanorenana vaovao, fifidianana samihafa vaovao, madio ary mandresy lahatra ny misalasala no filamatry ny fahombiazan’ny fifampihavanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.