Actualités

Pr Ramanoelina Panja Armand Voafidy fanindroany ho filohan’ny Oniversiten’Antananarivo


  • Talata 12 Janoary 2016

Mbola nametrahan’ny fianakaviamben’ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fitokisana hanohy ny asa maha filohan’ity oniversite eto an-drenivohitr’i Madagasikara ity ny Pr Ramanoelina Panja Armand.

 

 Nahazo salanisam-bato 55,64% izy tamin’ny fifidianana natao omaly alatsinainy 11 janoary 2016. Telo ny mpifaninana taminy nahitana ny Pr Ravelonandro Pierre Hervé, manampahaizana ambony momba ny simia sy ny Pr Rakotomanana Fanomezantsoa Hajanirina avy amin’ny fakiolten’ny siansa ary Pr Ravelomanana Mamy Raoul, mpahay toekarena avy amin’ny fakiolten’ny DEGS. Fanohizana sy fanatsarana ny asa efa natomboka no hataon’ny Pr Ramanoelina Panja Armand, araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fanambarana ny voka-pifidianana omaly. Anisany ny firosoan’ny sampam-pianarana isanisany amin’ny rafitra LMD, ny fandoavana ara-potoana ny karaman’ny mpandraharahan’ny oniversite, ny fanitarana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT