Actualités

Pr Rajaona Andriamananjara Ho raiketin’ny tantara ny asa vitany


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Very olo-manga ny firenena taorian’ny nahalasan’ny Pr Rajaona Andriamananjara, Filohan’ny Akademia Malagasy ny 30 septambra lasa teo.

 

 Manana mari-pahaizana ambony dia ny “doctorat” amin’ny filozofia sady mpahay toe-karena izy ary isan’ireo Malagasy nanovo fahalalana tany Etazonia. Izy no nanangana ny ivo-toerana malagasy momba ny teti-pivoarana na ny “Imatep” ary nitana ny toeran’ny tale jeneraly. Raha teo amin’ny sehatra akademika kosa, filoha am-perinasan’ny Akademia Malagasy ny tenany izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Tonga namangy ny fianakavian’i Tompokolahy Rajaona Andriamananjara teny amin’ny trano fonenany teny Avaradrova ny delegasiona notarihin’ny Praiministra lehibe ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny sabotsy lasa teo. Nitondra ny teny fampihononana sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny governemana. “Malagasy izy ary olona nahavita be teto amin’ny firenena ka ho raiketin’ny tantara  ny asa vitany” hoy ny Praiminisitra. Omaly alahady no nanitrihana azy teny amin’ny fasan-drazany eny Ankadivoribe ka nialoha an’izany dia natao veloma farany tao amin’ny Akademia Malagasy teny Tsimbazaza ity olomanga ity.


 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT