Manoloana ny resaka mandeha dia nanamafy ny Pr Panja Ramanoelina tamin’ny alalan’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo fa nanaja ny fepetra sy fotoana nahazoana nanao propagandy ny tenany ary nalalaka ny fampielezan-kevitra teny Ankatso.
Tsy mitombina ny filazana fa kandidam-panjakana ny Pr Panja Ramanoelina, hoy ny fanazavana voaray, fa raha misy izany dia olon-kafa. Momba ilay komitim-pifidianana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo indray dia misy ny fanampim-panazavana tsara hoentina mba tsy hisian’ny fanafintohinana sy ny savorovoro mety aterak’izany. Nisy ny Note de service n°101/2015-MESupReS/SG/SLDC tamin’ny 25/11 /2015 momba ny fanavaozana ireo olom-boafidy tompon’andraikitra amin’ny Oniversite, no manasa ireo Oniversitem-panjakana hanangana Komitim-pifidianana hikarakara ny fifidianana, eo anelanelan’ny 01/12/2015 sy 12/01/2016, sy hiantoka rahateo ny fahamarinan’ny latsa-bato amin’izany. Voatonona voalohany hitarika ny komity ny filoha am-perinasa na ny filoha lefitra raha toa kandida ny filoha am-perinasa. Anisan’ny mpikambana koa ny « Doyens » na « Directeurs d’école Supérieure/Institut » (izay afaka manendry solontena raha toa kandida), ireo filohan’ny « Collège des Enseignants » isaky ny « établissement » (manendry solontena raha kandida), sy ny lehiben’ny Service du Personnel ao amin’ny Oniversite... Lany tamin’ny fifidianana malalaka teo anivon’ny Komity ny filoha lefitra, izay solontenan’ny Filohan’ny « Collège des Enseignants AGRO». Tsy misy mivaona amin’ireo rijan-teny ireo ny firafitry ny Komitim-pifidianana ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ka aoka mba tsy hofonosina zavatra hafa, araka ny fanazavan’ny Pr Panja Ramanoelina sy ny mpiara-miasa aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.