Manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa raha mbola misy koa izany ny Profesora Harimalala Joseph ny mba hamotsotra ireo olona tsy manan-tsiny hazonina am-ponja any Antsiranana amin’izao fotoana noho ny raharaha fahatongavan’ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara.
Raha ny marina, hoy izy, dia efa tokony ho dila ny fe-potoana feran’ny lalàna ahafahana mitazona ireo olona ireo ka rariny raha avotsotra amin’izay izy ireo noho ny antony ara-pahasalamana mahazo ny sasany amin’izy ireo. Fa nasian’ity mpandinika politika ity resaka ny momba ny ezaka ataon’ny FFKM amin’ny fampihavanana izay toa hamaivanin’ny fanjakana.Tokony hotohanana izany raha ny nambarany satria efa dingana goavana ho an’ny famahana ny krizy eto Madagasikara io. Tokony hojeren’ny rehetra ny fehin-kevitra mivoaka avy ao toy ny resaka fiaiken-keloka sy ilay F4 nolazainy iny raha tiantsika tokony ny hihavana sy hifantoka amin’ny fampandrosoana amin’izay. Koa antso avo no ataoko amin-tsika vahoaka, hoy izy na ny mpanao politika izany mba samy hiaiky eo anatrehan’Andriamanitra sy samy hanetry tena fa mpanota avokoa, tahaka ny efa nataon’ny filoha Ravalomanana tany aloha ka nifona tamin’ny vahoka Malagasy raha toa ka nisy ny tsy nety nataony, izay azo antoka fa efa vita ny azy ny fiaiken-keloka. Manjaka loatra ankehitriny ny fitiavam-bola sy harena amin’ny mpanao politika, hoy izy kanefa fa raha mbola mikiri-biby amin’izany fitiavam-bola sy fitiavantena izany ihany ireo mpitondra ireo dia hotsarain’ny tantara eto daholo, araka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny tantara faharoa, toko faha 7; 17 -21 sy ny voasoratra ao amin’ny Timoty faharoa toko faha 3;1-2.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.