Ny sabotsy tolakandro teo no tonga teto Madagasikara ny Pr James A Robinson sy ramatoa vadiny, vahiny nasain’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny, hitondra ny fahaizany sy ny traikefany hanampiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy ireo mpitantana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara
.Efa notaterina teto ihany moa fa manam-pahaizan ara-toekarena, mahay momba ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana no sady mpanoratra ihany koa i James A Robinson ary mampianatra amin’ireo oniversite faran’ny sangany indrindra maneran-tany ; nanao fanadihadiana manokana momba an’i Afrika ihany koa ny tenany ary efa nitondra ny traikefany tamin’ny fanampiana mpitondra fanjakana sy mpitantana tamina firenena maro.Izy moa dia mampianatra ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana any amin’ny oniversiten’i Harvard –Etazonia ; hisy amin’ity alatsinainy ity ny fihaonan’ny Pr James A Robinson amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny TIM eny Faravohitra avy eo hanao dinik’asa miaraka amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny CUA izy ary hitafa fohy amin’ny mpanao gazety.Omaly dia nitsidika an’Imerinkasinina sy toerana vitsivitsy teto Antananarivo i James A Robinson ka anisan’izany ny Magro eny Tanjombato.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.