Actualités

Pr Harimalala Joseph « Tsy hisy fandrosoana vanona eto »


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

« Tsy hisy fandrosoana vanona izany eto fa vao mainka aza mizotra mankany amin’ny fahalovana tanteraka, satria izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray »,

 

hoy i Pr Harimalala Joseph manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny. « Tsy ny fanovaovana ny praiminisitra na ny mpikambana ao amin’ny governemanta no vahaolana, fa ny fototra sy ny rafitra izay ijoroan’izao Repoblika faha-4 izao mihitsy no mila fanovana », hoy izy. Ekena fa samy mangetaheta fanovana ny ankamaroan’ny olona, ka mahasahy milaza fa avelao aloha hiasa io governemanta vaovaon’i Mahafaly Olivier Solonandrasana io fa vao manomboka kosa ve ! « Amiko dia efa tsy mety intsony io », hoy izy, manohy ny fanazavany. Matoa Atoa Rivo Rakotovao minisi-panjakana nisahana ny fanajariana ny tany teo aloha nafindra any amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana dia misy kajikajy politika ao. Hitohy ny fakana tanin’olona, toy ny nahazo ny an’ny filoha teloha Marc Ravalomanana etsy Andohatapenaka, hoy ity Olompirenena ity. Mampiahiahy koa ny ao ambadik’ireny hain-trano miseholany etsy sy eroa ireny, fa toa midika ho fandroahana an-kolaka olona hiala eo amin’ny tany misy azy mba hanaovana an-keriny ny taniny. Tsy hiverina eo amin’ny toerana nisy azy teo intsony ireny olona rava trano ireny, fa dia halefan’ny Fanjakana any Andranofeno Atsimo. « Aoka izay ny famotehana an-keriny ny fananan’ny vahoaka Malagasy, fa efa tena mijaly fadiranovana ! ».

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT