Voaresaka tamin’ny dinika nifanaovan’ny mpahay lalàna mirahalahy tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny alarobia 19 oktobra 2016, dia ny Profesora Daniel Trico avy amin’ny
« Association Française des Docteurs en Droit » sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré raha nanao fitsidihana tamim-pomba fanajana tao amin’izany lapa izany iry voalohany, ny momba ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ohatra roa volana mialoha na ireo mpitantana hafa raha toa ka hilatsaka kandida hofidiana amin’ ny manaraka . Nahafa-po ny roa tonta moa ny fifanakalozan-kevitra satria samy mpahay lalàna no nifampiresaka. Fampitahana ny lalàna Frantsy sy lalàna Malagasy moa no tena niompanan’ny dinika ka nanamarihan’ny Pr Tricot fa misy zavatra ampiharina eto Madagasikara tsy fahita any Frantsa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.