Actualités

Potika koa ny AIR MADAGASCAR


  • Talata 02 Desambra 2014

Hividy fiaramanidina roa hafa indray isika, araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana satria nambara fa efa antitra ary tsy hahazoan’ny Air Madagascar tombony intsony ny fampiasana ireo Boeing 737 roa. Tsy misy maharatsy ny fanavaozana saingy ny olana dia ny vidin’ireo fiaramanidina Airbus A340-300 miisa roa nalain’ny fitondrana tetezamita tamin’ny Air France aza tsy vita dia hiditra hamoaka vola amina fiaramanidina hafa indray ve ? Tsara homarihana fa 11 no isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Air Madagascar amin’izao, izay ahitana Boeing 737-300 teo, Airbus A340-300 roa, ATR 72-500 roa, ATR 42 roa ary Twin Otter roa.

Vola ariana fotsiny

Tsara ho fantatra fa 825 000 dolara isam-bolana na 1 149 125 000 ariary ny vola aloan’ny Air Madagascar amin’ny Air France ho fanefana ny vidin’ireo Airbus roa novidian’ny fitondrana tetezamita tamin’ny 2012 ary maharitra enin-taona izy io. Tamin’ny fotoana nividianana azy anefa dia efa niasa 14 taona ny iray tamin’ireo fiaramanidina ireo ary efa niasa 12 ny iray hafa. Mipetraka ny fanontaniana hoe mbola afaka hiasa ara-dalàna ve ireo Airbus efa malaza ratsy amin’ny olana teknika ireto afaka 5 taona rehefa tapitra voaloa ny vidiny mihoapampana. Nisy fotoana efa very vola 80 000 dolara na 208 400 000 ariary isan’andro ny Air Madagascar noho ny olana ara-teknika nitranga tamin’ilay fiaramanidina Airbus. Fa mampatahotra ihany koa ny fampihenana na fanafoanan’ny sidina anatiny sy ivelany (La Réunion – Afrika Atsimo) sasany ho an’ny Air Madagascar, izay azo antoka fa misy akony ratsy amin’ny fizahantany sy ny toekarena, kanefa ny fanjakana midradradradra fampitomboana ny isan’ny mpizahatany tonga eto, ka handeha inona ary izy ireo ? Tohin’ny lojika amin’izao tranga izao ny fidiran’ny kaompaniam-pitaterana vahiny hiasa amin’ireo zotra ireo, hidangana avy hatrany ny saran-dalana satria tsy manana mpifaninana mivantana izy ireo koa dia afaka manao izay tiany.

An-kitsapatsapa ?

Koa raha izao no mitohy dia ho faty tsy ho ela tahaka ireo hafa tany aloha (ny SOLIMA ohatra) ity orinasam-panjakana izay miaro ny fiandrianam-pirenena ity satria anisan’ny harofanina iray mba tsy ahafahan’ny orinasa vahiny mametraka izay saran-dalana tiany eto amintsika ny fisian’ny Air Madagascar. Tsy mila fanazavana lava be akory dia efa samy mahafantatra ny rehetra fa eo amin’ny resaka fitantanana sy ny fametrahana ny paikady nentina ny asa no mahatonga izao aretina mikiky ny Air Madagascar izao. Mahafantatra tsara izany zavatra rehetra izany ny filoham-pirenena ankehitriny satria efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar ny tenany nandritra ny tetezamita. Ny fanontaniana dia ny hoe : fanahy iniana natao sa mety misy ambadika politika avo lenta ve no mahatonga izany mba hanomezana vahana orinasa mpitatitra vahiny iray ? Sa sanatria tena tsy fahaizana miaro habadoana ka idirana amin’ny resaka andrana sy kitsapatsapa fotsiny ? tsy mba mijery izay vitan’ny teo aloha fa andramana ny maka Aibus na dia efa hita izao aza  fa kadraoka ilay izy, satria mba te hampiseho fotsiny hoe nahavita ? Fiainam-pirenena anie no tantanina fa tsy tokantranonareo mpitondra e !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT