Actualités

Polyteknika Vontovorona Hiverina amin’ny 25 janoary ny fampianarana


  • Talata 19 Janoary 2016

Nanapa-kevitra ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Polyteknika Vontovorona fa hiverina hampianatra manomboka amin’ny 25 janoary 2016

 

. Vokatr’io fanapahan-kevitry ny mpampianatra io dia nihemotra tamin’ny fitokonana saika hataony ny mpianatry ny Polyteknika eny Vontovorona, fa hiandry am-pitoniana io fiverenan’ny fampianarana amin’ny alatsinainy heriny io.

Efa iray volana mahery no niato ny fampianarana teny Vontovorona, vokatry ny fitokonan’ny mpampianatra. Nitaky ny handoavan’ny fanjakana ireo tambinkarama samihafa ireto mpampianatra ireto. Tsy nisy filazana ofisialy hatreto nilaza fa nivaly ny fitakian’izy ireo ka nanapahan’izy ireo hevitra fa hiverina hampianatra indray.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT