Actualités

Polyteknika Vontovorona Higrevy sady hanidy sekoly indray ny mpianatra anio


  • Alatsinainy 24 Novambra 2014

Hihidy ny toeram-pianarana rehetra eny amin’ny sekoly ambony Polyteknika (ESPA) Vontovorona sy ny vavahady miditra ny toeram-pianarana anio

. Hitsoka kiririoka eo am-bavahady ny mpianatra. Haneho ny tsy fahafaliany ireto farany vokatry ny hadisoam-panantenana amin’ny tsy handraisana vatsim-pianarana telo volana miaraka amin’ny fisondrotana 10% nampanantenain’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony. Anio alatsinainy no tokony handoavana azy io, araka ny tetiandro navoakan’ny sekoly, saingy tsy raikitra indray. Nisy taratasy nalefan’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, milaza amin’ny Talen’ny Polyteknika Vontovorona fa tsy voahaja ny telo andro, andro fiasana, nanaovan’ny ESPA fangatahana vola handoavana vatsim-pianarana, takiana mba hanaovana fanamarinana sy hanontaniana ny toe-bola any amin’ny tahirimbolam-panjakana. Ny 21 novambra 2014 no voaray ny fangatahana ny vatsim-pianarana nefa ny mpianatra ampanantenaina hozaraina ny 24 novambra 2014 (anio). Tsy fahafehezana ny asa, fa finiavana handrehitra afo hampisavorovoro satria ho tezitra ny mpianatra ? Ho hita eo ny tohiny anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT