Hiakatra an’Ankatso ny mpianatry ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona anio. Hanaraka akaiky ny antontan-taratasy famoaham-bola handoavana ny vatsim-pianaran’izy ireo telo volana miaraka amin’ny fisondrotana 10% efa nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony no anton-dian’izy ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra.
Raha ny tetiandro natao peta-drindrina teny Vontovorona tamin’ny zoma lasa dia omaly alatsinainy 24 novambra no tokony ho nandoavana io vatsim-pianarana telo volana io. Nisy indray anefa ny fampilazana ny sabotsy fa foana io fandoavana io noho ny tsy fahatomombanana ara-taratasy hamoahana ny vola avy eny Ankatso. Diso fanantenana ny mpianatra, ka nitokona nanomboka omaly. Nifamory tao amin’ny Amphi izy ireo ny maraina, tamin’ny 8ora sy sasany. Naharitra ora iray teo izany, ary nihazo teny am-bavahady miditra ny toeram-pianarana izy ireo taorian’izay. Efa niatrana teo am-pidirana ny Emmo-Reg nanakana azy ireo tsy hivoaka ny faritry ny sekoly. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg. Tao anatin’izay indrindra no nisy nitoraka avy any anaty faritry ny sekoly ka nandratra zandary iray. Somary nisavorovoro taorian’izay saingy nilamina ihany. Na izany aza dia tsy nisy fianarana vanona omaly. Hentitra rahateo ireo mpianatra fa tsy hiverina an-dakilasy raha tsy voarainy io vatsim-pianarana telo volana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.