Actualités

Politikan’ny toetr’andro Tsy ampy ary tsy mazava ny an’i Madagasikara


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Ankoatra ny resaka karama dia anisan’ny nahatonga ny hetsiky ny Gilet Jaune tany Frantsa nandritra izay 10 herinandro izay ny fampiharana ny tahan’ny karibaona (application taxe carbone).

 

Politikan’ny toetr’andro napetraka noho ny olana misy amin’ny sehatra tontolo iainana tahaka ny fahalotoana sy ny fahasimban’ny rivotra iainana. Tsy tahaka ny zava-misy eto Madagasikara izay manjavozavo, ny orinasa tena mandoto dia terena mandoa hetra ambony any ivelany. Na dia nisy akony ratsy aza izany tany Frantsa, tahaka ny fampahantrana ny tsy manana sy ny fanandratana ireo manankarena noho ny fiantraikany tamin’ny karama, dia hita kosa fa ilaina mandrakariva ny fananana ny politika atao amin’ny resaka toetr’andro. Hita ho sarotra hatrany, indrindra ny amin’ny firenena mahantra ny mampifandray tendro ny toekarena sy ny politikan’ny toetr’andro satria matetika dia zavatra mifanohitra izy roa ireo. Raha i Kanada izao no jerena dia faha-4 amin’ny fanondranana solitany manerana izao tontolo izao. Tombony be ara-toekarena izany kanefa tsy maharesy lahatra ny mpiaro ny tontolo iainana mihitsy ireo fepetra marobe noraisin’ny governemanta tany izay iadivana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Araka izany dia hita hatrany fa miezaka mametraka politikan’ny toetr’andro hatrany ny firenena na dia sarotra aza ny fifampiraharahana. Tena mbola sarotra izany eto Madagasikara satria na ny fandrarana ny olona tsy hampiasa ny harona plastika na ireny sachet ireny aza dia efa tena olana be. Inoana fa efa fantatry ny tompon’andraikitra, indrindra ny filoham-pirenena vaovao ny akony ratsy amin’ny tsy fananana politika mazava ny amin’ny toetr’andro, indrindra ny amin’izao fotoanan’ny loza maro samihafa ateraky ny fahavaratra izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT