Tsy dia misy zava-mahaliana firy azo antenaina amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao intsony raha tsy hoe misy fanovŕna
politikam-pitantanana sy fanovàna goavana eo amin’ny governemanta sy ireo mpiara-miasa akaiky ao Ambohitsorohitra sy Iavoloha angamba.Natao resaka be niampy dokam-barotra ilay PND na politika nasionaly ho amin’ny fampandrosoana, tsy hita popoka izay nalehany, tsy fantatry ny Malagasy akory hoe inona avy ny ao anatin’izy io, ary ny vola hanatanterahana azy rahateo moa tsy misy.Izao milaza indray ingahy filoha fa hampahafantatra vina afaka andro vitsy hono.Nolazaina fa asa maika tsy maintsy natao ny nitety izao tontolo izao namitram-pihavanana tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, dia inona ary ny voka-tsoa azo avy amin’izay e ? Ny fakaran’ny vidin-tsolika ve ? Fa laharam-pahamehana koa ve izany ny nandaniana vola amina miliara ariary ho an’ireo ambara fa dahalo niova fo ? Ny olona tsy manan-tsiny, gadraina sy atoka-monina, ny dahalo mangalatra, mandroba ny fananan’ny vahoaka manolana zaza amam-behivavy, mamono mahafaty olona mandoro tanàna iray manontolo, omena vola sy nanjairana akanjo vaovao ary miara- manao dihy mirindra amin’ny praiminisitra .Sao dia efa mivadika ary ny tany eto amin’ity Madagasikara ity e ?Nivalona ihany ity ny taona fa mbola mitohy ny delestazy, aiza ilay fampanantenana hoe foanana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy, ary sao dia resa-be tahaka izany ihany koa ny kabary natao omaly sy ny mbola ho avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.