Actualités

Polisy nikasi-tanana teny Ampitatafika Haneho ny mangarahara ny minisitera


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Nitondra fanazavana mikasika ilay fikasihan-tanan’olon-tsotra nitranga teny Ampitatafika ny sabotsy alina lasa teo ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka.

 

 

 

Nambaran’izy ireo fa efa naharay fitoriana mahakasika iny raharaha iny  ny teo  anivon’ny polisim-pirenena. Efa  nosokafan’izy ireo ihany koa ny fanadihadiana ka nahafantarany fa  tsy polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny 67 Ha (CSP 7ème Arrondissement) izy io fa eny Anosy. Araka ny fanadihadiana ihany dia izy sy ny zanany lahy no voakasika amin’ilay raharaha .
Nomarihin’izy ireo fa vesatra roa no mihatra amin’izay nandika lalàna tahaka izao, dia ara-pitsipi-pifehezana  sy ny araka ady heloka (Pénal). Nanamarika ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa vonona ny haneho ny mangarahara tanteraka ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha mikasika ity tranga ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT