Ny alin’ny 16 febroary 2019 tokony ho tamin’ny 09 ora no tonga niantso vonjy sy nametraka fitoriana teo anivon’ny « Division de la Police des Mœurs et de la Protection des Mineurs »
Tsaralalana ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany telo noho ny vono sy ratra nahazo azy ireo tao an-tokantrano ary ny fanakorontanana nataon’ilay raim-pianakaviana vadiny azy ireo. Rehefa noraisina ny fitoriana ary nampanantsoina ny voakasik’ity raharaha ity dia fantatra fa polisy am-perinasa filohan’ny sendikan’ny “Brigadier” sy “Agent de Police” izy ity ary voaporofo ny fandikan-dalàna nataony tamin’ireo ankohonany. Mbola fantatra ihany koa nandritra ny famotorana fa nisy ny fanolanana niverimberina nataon’ity raim-pianakaviana ity ny zanany vavy matoa nanditra ny taona maro. Rehefa nanatona ny polisy moa izy efa-mianaka ireto dia tsy niverina tao an-tokantranony intsony. Tsy nilaina, araka izany, ny fahazoan-dalana manokana nahafahana nanenjika ity polisy ity fa avy hatrany dia notazonina izy. Niakatra fampanoavana ny 20 febroary lasa teo ny lehilahy ary efa eny am-ponja miandry ny fitsarana azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.