Actualités

Polisy Monisipaly eto Iarivo Manatevina traikefa hatrany


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Hatevenina ny fahaiza-manaon’ny Polisy Monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

 

 Ny sehatry ny lalàna sy ny fampiharana izany no isany hatsaraina sy hatevenina ankoatry ny  fahaiza-manao hafa. Polisy Monisipaly Malagasy monina sy miasa any ampitan-dranomasina,   Capitaine de police  Monisipaly any  Polletres Frantsa,  Rakotomanana  Soulé, no mitondra ny fahaiza-manaony sy mizara  ny traikefany   ho an’ireto Polisy Monisipaly Malagasy eto Antananarivo. Mandritra ny fotoana andalovany eto an-tanindrazana no anantanterahany izany, misy ihany koa fampitaovana, toy ny fanamiana nentiny ho an’ireo Polisy Monisipaly eto Antananarivo. Zava-dehibe ho an’ireo Polisy Monisipaly  Antananarivo ny  fisian’ny fiofanana toy izao, hoy  Rakotovololona Christophe  Chef de service opérationnel  Polisy Monisipaly Antananarivo.  Tsy vao izao akory izy no tonga mizara ny traikefany ho anay Polisy Monisipaly eto Antananarivo fa  isan-taona ity Polisy Monisipaly avy any Frantsa ity no tonga eto amintsika mizara ny traikefany amin’ny maha-Malagasy azy ihany koa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT