Actualités

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Manara-maso ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny « Inspection Générale de la Police Nationale » (IGPN).

 

Ireo polisy rehetra manao kolikoly na manao ny tsy mety amin’ny asany dia azon’io rafitra io atao famotorana. Nanamafy ny Controleur général de la police, Randrianjoanimanana Goerges Yoel fa tsy hisy ny kitranoantrano, tsy hanavahana na grady na andraikitra ny famotorana atao amin’ireo izay mandika lalàna na polisy tsotra io na ireo efa be galona tahaka ny inspecteur sy ny commissaire. Tsy maintsy atao famotorana rehefa misy zavatra mampiahiahy. Noraisina ny fepetra mba hampanara-dalàna ny rehetra  na inona na inona andraikitra sahaniny. Azo antsoina na andro na alina ity rafitra ity amin’ny laharana an-tariby 034 05 017 53. Mifototra amin’ny fanarahan-dalàna, ny fifanajana ny sata mifehy ary ny fitsipika sy ny deontolojia ny antom-pisian’ny IGPN eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsara homarihina fa anisan’ireo sampandraharaha tena mampitaraina ny olona eo amin’ny resaka kolikoly ny polisim-pirenena, miaraka amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny eny anivon’ny fitsarana ary ny sehatry ny fitsaboana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Miditra anaty fanadiovana ifotony ny polisim-pirenena ka tsy maintsy hentitra sy henjana ny fepetra raisina fa efa ampy izay ny kitoatoa sy ny fihetsika tsy mendrika miteraka fahafaham-baraka, hoy ireo lehibe.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT