Actualités

Polisy maka vola eny an-dalana Hosaziana ireo tratra


  • Talata 29 Septambra 2015

Mbola misy amin’ireo polisy ao Antsiranana ihany raha araka ny vaovao voaray no maka vola amin’ireo fiara mandalo sakanany amin’izao.

 

Nampivory ireo polisy rehetra any an-toerana araka izany ny tompon’andraikitra misahana izany ka nilaza  fa tsy hanaiky intsony na handefitra amin’ireo mbola tratra ny manao izany. Antony hoy izy dia tsy maintsy hampiharina amin’ny polisim-pirenena rehetra ny fitsipi-pifehezana tokony arahin’izy ireo ankoatra ny ady hatao amin’ny kolikoly. Tsy hijanona ho an’Antsiranana ihany izany fa hiitatra amina faritra maro ka anisan’ny voakasika Antananarivo. Raha araka ny fantatra tokoa mantsy  dia mbola betsaka amin’ireo pôlisy eto an-drenivohitra no manao izany fa ny faran’ny herinandro no tena mampasiaka azy. Ankoatra izay dia tsy vola kely ihany koa alainy ka mampitaraina ny mpamily maro.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT