Actualités

Polisy ekonomika Toamasina Nitombo ny taratasim-bola tsy misy antoka nosahaniny


  • Alatsinainy 26 Janoary 2015

Tamin’ny taona lasa dia nahatratra 144 ny antontan-taratasy momba ny fandefasana taratasim-bola tsy misy antoka nosahanin’ny polisy ekonomika Toamasina, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rakototiana Laubel Valisoa. Ireo tranombarotra sy ireo mpandraharaha ary ireo “mpibizina” mpanam-bola no tena mpanao azy ity, ka mampidangana ny sandam-bola izay manodidina ny am-polony tapitrisa ariary. Ny faramparan’ny taona lasa iny aza dia mpanolotsain’ny filohan’ny antenimieram-pirenena iray mpandraharaha mpanafatra entana nanao taratasim-bola tsy misy antoka 35 tapitrisa Ar,

 

 tamin’ny fandoavana ny volan’ny entana, izay voatery namoahana fikarohana eo anivon’ny polisy mihitsy. Betsaka amin’ireo mpanao azy ity no miezaka mandoa ny volan’olona, saingy eo amin’ny heloka natao teo anivon’ny banky kosa vitsy no nanaraka ka mahatonga hatrany ny fanenjehana ao anatiny. Nahitana fiakarany koa ny fivadiham-pitokisana. Nahatratra 77 ny antontan-taratasy nosahanin’izy ireo ny taona lasa. Resaka fifanarahana ara-barotra sy resaka bizina nifanaovana avokoa ny ankamaroany ny raharaha, ankoatra ny findramam-bola nefa tsy mamerina izany amin’ny fotoana ifanarahana. Raha ny antontan-taratasy rehetra nosahanin’ity polisy ekonomika ao Toamasina ny taona 2014, dia nahatratra 373 izany ka ny 305 amin’izany no nahavitana fanadihadiana niditra fitsarana. 26 monja anefa ireo nahazo didy miandry fitsarana am-ponja izay lehilahy ny 20 ary vehivavy ny 6. Ho an’ny kaomisarian’i Toamasina I kosa izay misahana ny heloka tsotra (delits), nahatratra 1.688 ny antontan-taratasy nosahaniny, ny 174 no miandry fitsarana am-ponja. Ny teo amin’ny lozam-pifamoivoizana kosa dia niisa 10 ny loza nahafaty olona nosahaniny, 241 ireo naharatrana olona, ary 49 ireo fitaovana potika…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT