Toy ireo vahoaka rehetra nankalaza ny fetin’ny farany taona dia mba namonjy ireny lanonam-bahoaka ireny ity mpitandro ny filaminana iray. Tsy dia lavitra ny renivohitry ny Faritra Alaotra izy no nifety fa tao amin’ny toeram-pilanonana Antanifotsy
Rehefa nandeha nody izy ny marainan’ny 1 janoary 2015 dia sendra olon-dratsy efa-dahy izay tsy nisalasala nidaroka ity mpitandro ny filaminana ity. Niezaka ny namaly ihany ny tenany saingy tsy nahovoka tratry ny be noho vitsy sy ny hery tsy nitovy. Lasan’ireo jiolahy ny kiraro nanaovany sy ny petra volamena “chevalier” teny an-tanany. Raha ny fitantarany dia fantany ireo olon-dratsy raha mifanena aminy saingy noho izy mbola voa mafy dia tsy maintsy natao aloha ny fitsaboana. Indrisy anefa fa namoy ny ainy ny sabotsy 03 jaonary teo ny lehilahy. Marihina fa polisy miasa amin’ny zotran-dalamby Moramanga - Ambatondrazaka ity nisy namono ity. Omaly no nentina any amin’ny fasandrazany Andilamena ny vatana mangatsiakan’ny tompokolahy rehefa avy nentina tany amin’ny Reniny ao Vohitsara Amparafaravola. Nanambaran’ny lehiben’ny polisy miasa ao amin’ny Gara Ambatondrazaka fa aorian’ny fandevenana dia tsy maintsy ho hita ny marina mahakasika ireo olon-dratsy nahavita nanendaka io mpitandro ny filaminana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.