Nanao fanambarana ny kaomisera divizionera Lebiria Rufin Tolozara, tompon'andraikitra voalohany eo anivon’ny polisy mpiambina ny sisintany (PAF) eny Ivato omaly alakamisy 13 aprily maraina fa nahafeno fepetra ny taratasin’i Claudine Razaimamonjy mikasika ny famoahana azy hitsabo tena any ivelany.
Ankoatra ireo, ny taratasin’ny dokotera, ny mpitsabon’ny ny seranam-piaramanidina (ACM) ihany koa dia nanamarina izany. Niatrika ny famoahana azy teny Ivato ny mpikambana ao amin'ny ACM, Samada, ny zandarimaria, ny polisy misahana ny fiarovana ny sisintany. Nilaza ihany koa io tompon’andraikitra io fa tsy afaka mandrara ny famoahana marary hotsaboina, izay manana taratasy ara-dalàna izy ireo satria toy ny tsy fandraisan’andraikitra amina olona tandindonin-doza izany. Ankoatra izay, niaraka tamin'ny mpiasan’ny fandraharahana ny fonja izy, hoy ity tompon’andraikitra voalohan’ny polisy misahana ny lafin-tany ity. Tsy nampiana resaka kosa ny didy fandrarana tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara na IST ary nambara fa ny minisiteran’ny atitany no mahalala bebe kokoa izany. Mbola porofon’ny tsikombakomba sy ny tsindry avy amin’ny praiminisitra sady minisitry ny atitany, izay tsy afa-miala amin’ny raharaha mahasaringotra an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Ny mahagaga sy mahavalalanina, ary porofon’ny mbola fisian’ny hevi-petsy, dia voalaza fa taratasy avy amin’ny Hopitaly Miaramila (HOMI) eny Soavinandriana no naseho teny amin’ny seranam-piaramanidina, raha toa ka teny amin’ny Hopitaly HJRA no nitsaboana ity ramatoa ity. Tsy fantatra mazava intsony izay toerana misy ity ramatoa ity ary mangina tanteraka ny fitondram-panjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.