Actualités

Polisim-pirenena Voatokana ny tsangambaton’ny faha-55 taona


  • Talata 04 Oktobra 2016

Ny zoma faha-30 septembre 2016 no ivon’ny fankalazana sady famaranana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny Polisim-pirenena Malagasy, ka samy nanana ny hetsika nentiny nanamarika izany ny Polisy isaky ny Faritany.

 Anisan’izay nisongadina indrindra tamin’ny hetsika niseho teto Antananarivo misy ny foibe fitantanana ny polisim-pirenena ny fitokanana ny tsangambaton’ny faha-55 taona izay nialohavan’ny hazakazaka fanehoana firaisankina nanodidina ny farihin’Anosy ny maraina ka nandraisan’ny sampandraharaha sy polisy teto Antananarivo rehetra anjara, ary nialohan’ny lanonam-pikoranana (Nuit de la Police Nationale) notanterahina teny Ivato ka nentina nanakatona tanteraka ity fankalazana ity. Marihina kosa fa ny alakamisy 29 septembre 2016, teny amin’ny Cercle Messe-n’ny Polisy ANTANIMORA, dia nisy ny fihaonambe Nasionalin’ny Fikambanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny Vehivavy Polisy notarihan’ny Vadin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka.  Betsaka ny vitan’ny Polisim-pirenena tamin’ny fampanjakana ny filaminana nandritra izay 55 taona izay, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Anandra Norbert nefa betsaka ihany koa ny mbola miandry. Ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta kosa dia nankahery sy namporisika ny Polisim-pirenena mba hiroso sy hanao ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny vahoaka miasa sy mamokatra handrosoan’ny Firenena.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT