Notokanana omaly teny Antanimora ny trano fitsaboana nify ho an’ny polisim-pirenena. Mitentina 10.000.000 ariary ny nenti-nanana ity toeram-pitsaboana nify ity ka ny Consulat de Monaco no namatsy vola tamin’izany.
Nisolotena ny kaonsilin’i Monaco nanolotra ny toeram-pitsaboana tamin’ny fomba ofisialy omaly Ramatoa Niry Rabemanolontsoa izay Vice-Consul Honoraire. Notsiahiviny fa efa nanomboka tamin’ny taona 2005 no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka nisy hatrany ny fanavaozana sy fanatsarana ny dispenseran’ny polisy ary izao nitohy amin’ny fananganana trano fitsaboana nify izao. Nisolotena ny minisitry ny filaminam-bahoaka kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Polisim-pirenena,ny Contrôleur général de Police Razafimanantsoa Aimé Tantely izay nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny polisim-pirenena ho an’ny fanjakana Monaco. Naneho ny faniriany ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny tenany. Afaka miasa avy hatrany ity toeram-pitsaboana nify ity satria efa misy ny fitaovana rehetra ilaina sy ny mpitsabo hisahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.