Amin’ireo rafitra 3 ny fitandroana ny filaminana eto amintsika, hoy ny tompona’ndraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny polisim-pirenena, dia ny polisim-pirenena malagasy ihany no nisy vehivavy hatrany
am-piandohany, izany hoe hatramin’ny fanjanahantany no ho nankaty. Ny fandrindrana ny fifamoivoizana, raha ny fanazavany, no iandraiketan’izy ireo ary miankina amin’ny mariboninahitry ny tsirairay ny asa tandrify. Ohatra, ny kaomiseritra sy ny ofisie no mandrindra ny andraikitry ny polisy misahana ny fifamoivoizana tsirairay avy ary tsy voatery hifanena eny an-kianja. Talohan’ny 30 septambra 1961 no efa nisy, hoy izy, ireo polisy vehivavy ireo, izany hoe talohan’ny nisaloran’ny polisintsika ny anarana hoe « polisim-pirenena ». 3 eo ho eo moa ny polisy vavy « controleur générale de l’Etat » raha ny fanazavany fa efa betsaka koa anefa ny jeneraly. Azo lazaina ho mbola misy lesoka kosa ny eo amin’ny lafiny miralenta satria dia ny 11% ihany no vehivavy amin’ireo polisy 8000 manerana ny nosy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.