Manoloana ny ny fitrifanan’ireo mpamily fitaterana miteraka lozam-pifamoivoizana matetika loatra eto an-drenivohitra, dia nivory omaly ny avy eo anivon’ny prefektioran’ny polisy sy ny polisim-pirenena mba handinihana ny fepetra tokony horaisina sy ny vahaolana tandrify izany.
Tapaka tetsy amin’ny Hotel de Police Tsaralalàna ary io omaly io fa omena andraikitra amin’izay manomboka izao ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana eto Antananarivo mba tsy hampihatra ny lalàna fotsiny fa tena hampianatra ny lalàna na hampahatsiahy ireo mpamily fiarakodia. Efa nampahafantarin’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena ireo karazana tsy fanarahan-dalàna 23 misy mety hahavoasazy iireo mibirioka. Anisany ny fitondrana fiara an-kamamoana, ny tsy fananana fahazoan-dalana hamily mbamin’ny sakanan’ny polisy nefa tsy mety mijanona. Hentitra ihany koa ny lehiben’ny prefektiora raha namerimberina fa aiditra am-ponja manomboka izao ireo fiara tsy manara-dalàna fa tsy toy ny taloha intsony hoe ireo taratasy fotsiny no alaina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.