Tranga mpiseho matetika eny amin’ireny komisarian’ny polisy ireny ity taterina ity mba hanehoana fa tena tongo-bakivaky ka sady maharary
no mahamenatra ny zava-miseho amin’ireny komisaria sasany eto an-drenivohitra ireny ka mahatonga ny olona tsy matoky sy tsy manome lanja ny mpitandro ny filaminana intsony.
Mametraha kely aloha e !
Novakiana mpangalatra iray ny fiaran’ity raim-pianakaviana iray ny zoma 25 martsa lasa teo ka lasany ny auto-radio sy blouson. Niantso vonjy ilay rangahy sady nanenjika ilay mpagalatra ka tratra ilay olon-dratsy. Nony nentina teny amin’ny mpitandro ny filaminana anefa ilay mpangalatra dia ilay rangahy very fananana indray no sahirana satria tsy vitan’ny hoe efa nanenjika sy nisambotra ilay mpangalatra fa mbola nasaina nividy taratasy 18 isa sy karbona handraisana ny fanadihadiana ihany koa satria na taratasy aza dia tsy nananan’ilay komisarian’ny polisim-pirenena. Mbola azo noleferina ihany iny fa nony vita ny fanadihadiana dia nomena fotoana ilay mpitory fa ny 30 martsa 2016 no hiakatra fitsarana ilay mpangalatra fa mametraha kely aloha. Dia nanome 5 000 ariary ny tenany fa te hanana ny raharahany ho vita. Nony tonga ny fotoana dia nangalan’ny polisy 15 000 ariary indray ilay mpitory fa hatao saran-dalana, hono. Nanomboka gaga ilay mpitory satria mitombo hatrany ny fandaniana. Ary rehefa nivoaka ny biraon’ny kaomisaria indray izy dia nilaza ilay mpiandry ny “cellule” fa tokony hametrahana kely ihany koa satria ny asany no tena misy « risque », hono. Kivy tamin’ny zava-nanjo azy tao amin’ilay komisaria ilay rangahy ka na ilay teny amin’ny fitsarana aza tsy novonjeny intsony. Izany no mahazo ny olon-tsotra raha sendra mba mitaraina eny amin’ireny biraon’ny mpitandro ny filaminana sasany ireny, tsy resahana intsony ny fitangosana vola ataon’ny polisy eny an-dalambe eny. Misy ezaka goavana tokony hatao fa ny tranga tahaka izao no mampirongatra ny fitsaram-bahoaka
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.