Actualités

Polisim-pirenena Ambatondrazaka Vonona hampanjaka ny fandriampahalemana


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Toy ireo polisy manerana nosy dia tsy nanadino velively ny vaninandro nisian’ny polisim-pirenena voalohany ny polisy any amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro dia ny 30 septambra 1961.

Omaly alarobia maraina 30 septambra 2014 dia nisy ny hazakazaka mitety tanàna nataon’ny polisy rehetra ao Ambatondrazaka izay notarihan’ny kaomisera divizionera Randriamihamina Wilson. Nambarany tamin’ny mpanao gazety fa vonona hatrany ny polisy amin’ny fampandriana fahalemana ny tanànan’Ambatondrazaka. Misy ny fiaraha-misalahy amin’ny ben’ny tanànan’Ambatondrazaka eo amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny tsena. Miasa na alina na antoandro ny polisy amin’ny fitetezana ny fokontany sivy amin’ny fanaraha-maso ireo mpandika lalàna. Hampanjaka ny fandriampahalemana no tanjona iombonana, mila fifanomezan-tanana avy amin’ny vahoaka izy ireo amin’izany. Dinik’asa nandinihina ny paik’ady mahomby handresena ny olon-dratsy no namaranana ny andro ny 30 septambra 1961 tany Ambatondrazaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT