Tao anatin’ny folo andro voalohany nitsaran’ny Pac na ny “Pôle Anti-Corruption” ireo antontan-taratasy mikasika ny kolikoly, dia olona 60 no efa vita famotorana teny anivon’ity rafitra ity.
Momba ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny famarotana ny tsenam-baro-panjakana, ny fanondranana volamena, zava-mahadomelina, fanondranana olona, fanaovana hosoka, fanararaotam-pahefana. Ireo no nanaovan’ny Pac ny fanadihadiana ireo olona voalaza ireo. Ny 18 tamin’izy ireo voasazy ary handoa onitra, ny ambiny kosa afaka noho ny fisalasalana. Ny volana septambra ho avy izao indray ny tohin’ny fitsarana faharoa. Marihina fa misy andiany fito ny raharaha sahanin’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.