Actualités

Poivre rouge na Baies roses Maha miliardera olona haingana, hoy ny Hafari


  • Talata 27 Janoary 2015

Azo porofoina fa azo atao tsara ny manala ny olona amin’ny fahantrana iainany, hoy ny vovonana fiarahamonim-pirenena Hafari Malagasy raha nampiseho ny mpanao gazety ny vokatra « poivre rouge » na « Baies roses » teny amin’ny birao fiasany teny Anosizato ry zareo omaly

. Raha mamboly fototra « poivre rouge » iray monja ny olona iray, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia afaka mahazo telo ka hatramin’ny enina hetsy ariary. Ny olona iray anefa, hoy izy, dia afaka mamboly hatrany amin’ny 1000 fototra ka mandritra ny 50 taona izy sy ny taranany dia hioty ny vokatra fotsiny. Naseho teny Anosizato fa arakaraka ny hamenany no mahalafo ny « poivre rouge » ka ny kalitao voalohany tena mena tsara dia 33 000 ar ny vidin’ny iray kg, ny kalitao faharoa somary mavokely dia 26 000 ar ny kilao ary ny kalitao fahatelo somary matsatsotsatso mifangaro dia 6 000 ar ny kilao. Ireo rehetra ireo dia azo hakana « huiles essentielles, hanaovana savony, hanamboarana fanafody ary atao laron-tsakafo. Mbola malalaka ny tsenan’ny « poivre rouge » maneran-tany fa be ny tinady nefa isika tsy maharaka satria ny any Ankadinondry Sakay ihany no mba tena mifototra amin’izy ity, izy anefa dia mitovy lanja amin’ny lavanila sy jirofo fa tsy misy miraharaha loatra ary ny tanàna any Soaniedanana 67 km amin’ny lalàm-pirenena fah-4 hanatanterahanay ny tetikasa “exode urbain” dia tsy afaka hihoitra raha tsy  mihodina ny resa-pambolena any an-toerana. Tapa-kevitra izahay fa hamboly fototra “poivre rouge” miisa 4 500 ka ny fototra iray dia afaka mamokatra 5 ka hatramin’ny 10 kg  raha tena tsara karakara, izany hoe tsy hampiasana fanafody simika raha misy bibikely mihinana fa ambolena voaloboka na veromanitra miaraka amin’ny “poivre” eo. Tsy ny Hafari irery no hisahana ity asa fambolena iray ity fa zarainay amin’ny rehetra ny traikefa azonay mba hiasan’ny olona ka hialana marina amin’ny fahantrana mamely ny Malagasy izao; hoy namarana ny teniny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT