Actualités

Poa-basy Antanimena Nipotsaka ny atidohan’ilay jiolahy


  • Zoma 02 Desambra 2016

Lehilahy 4 nikononkonona fanafihan-jiolahy no efa narahin'ny mpitandro ny filaminana hatrany Behoririka ka hatreny Antanimena omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro.

 

 Rehefa tonga teo Antanimena, akaikin’ny tranombarotra Revision 5000 izy ireo, dia nanao fampitandremana sy nampijanona azy ny polisy kanefa tsy arakaraka izay no setriny avy amin’izy ireo, ka dia raikitra ny fitifirana. Tafaporitsaka ny 2 fa ny roa kosa samy tsy afa-niala intsony fa voan’ny bala ka ny iray voa teo amin’ny lohany. Niparitaka mihitsy ny atidohany ka maty tsy tra-drano. Ny iray kosa mba naratra fotsiny ka nafatratry ny polisy tao anaty fiara. Tsy mbola fantatra kosa izay tena antony na fikasan-dratsin’ireto nambara ho jiolahy ireto fa ny sakoroka efa nipoitra no nahataitra ny manodidina. Tapaka mihitsy ny fifamoivoizana teny amin’ny manodidina an’Antanimena nandritra io fotoana io, ary voatery navily lalan-kafa avokoa ny fiara nandalo teo akaikin’ny toerana nisian’ity sakoroka omaly ity. Tsy andro tsy alina no andrenesana asan-jiolahy, ary efa tsy mifidy intsony izy ireo na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Olana eto amintsika ny fisian’ny tsikombakomba eo amin’ny mpitandro ny filaminana sasany sy ny jiolahy, ka mahatonga ny fitaovam-piadiana hiparitaka etsy sy eroa. Raha voafehy izay toe-javatra izay dia inoana fa mba hisy fihenany kely io fanafihan-jiolahy mampahory ny vahoaka io.

 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT