Notanterahina tao Farafangana omaly ny lanonana fanamafisam-pihavanana eo amin’ny foko Antefasy sy Zafisoro.
Foko roa nifandrafy tany amin’ny taona 1990 tany izy ireto, noho ny resaka ady tany saingy efa niravona tamin’ny fitondran-dRatsiraka. Nananganana tsangambato mihitsy ho mariky ny fivintranan’ny fihavanan’ny roa tonta. Efa mifanambady hatramin’ny taranaka aty aoriana aza. Eo no maharesabe an’ity hetsika natao ity indray, amohazana ny resa-poko io, amin’izay ny praiminisitra Ravelonarivo no tao ambadik’izany. Tonga tany an-toerana mihitsy moa ny lehiben’ny governemanta omaly, nanome voninahitra io lanonana fifanaovan-tsonia fanamafisam-pihavanana io. Fanamafisam-pihavanana no nitondrana ny hetsika, hitondra fampandrosoana, romoromo indray anefa no naterany. Nikorontana anatiny ny Foko Zafisoro noho ity raharaha ity. Toherin’ny vahoaka ao amin’ity Foko ity ny fandraisan’anjaran’ireo Ampanjaka enin-dahy avy amin’ny Telo troky mifehy ny Zafisoro, fa tsy mba nifampiera sy naka ny hevitry ny vahoaka mialoha fa nanapa-tena fotsiny. Tonga hatrany amin’ny ho fanonganana ireto Ampanjaka ireto aza ny raharaha vokatr’io zavatra nataon’ny praiminisitra Ravelonarivo io. Inona marina no tian-kahatongavana tamin’ity lazaina fa fanamafisam-pihavanana ny Foko Zafisoro sy Antefasy natao tao Farafangana ity ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.