Namiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy. Voaporofo indray izany tamin’ny alalan’ny sakafo vitan’ny «La Gastronomie Pizza»
. Voasokajy ho «pizza» tsara aty Afrika ny vokarin’ny «La Gastronomie Pizza» avy eto Madagasikara, izay orinasa tarihin’i Randrianaivo Ambinintsoa Arson, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Chef Mbinina. Orinasa maro eran’izao tontolo izao no notilian’ny BID tamin’ity indray mitoraka ity, fa ny vokatry ny “La Gastronomie Pizza” no niavaka. Natolotra azy tany Genève renivohitr’i Soisa ny faran’ny herinandro teo ny loka iraisam-pirenena «International Star for Quality Award», lanonana izay natao tao amin’ny hôtely Intercontinental. Tonga nandray nivantana izany tany an-toerana i Chef Mbinina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.