Actualités

“Piratage informatique” nataon’i Rosia Hamaly faty i Etazonia ?


  • Alatsinainy 19 Desambra 2016

Nampangain’ny filoha Amerikanina Barack Obama ho tao ambadiky ny fanakorontanana ny voka-pifidianana farany teo tany Etazonia ny filoha Rosianina Vladimir Poutine. Efa noresahako an’i Vladimir Poutine io

 

resaka « cyberattaque » na fanafihana amin’ny alalan’ny ordinatera io ny volana septambra lasa teo, hoy ny filoha Amerikanina ary efa nilaza taminy aho fa tsy afaka ny hanaiky fotsiny an’io i Etazonia ary tokony hatsahatra izy io, saingy mbola nitohy ihany. Mety hisy, araka izany, ny valifaty hataon’i Etazonia. Manao fanadihadiana lalina moa ny CIA sy ny FBI amin’izao fotoana ary milaza fa hampiseho porofo ny amin’ity resaka asa fampiorohoroana amin’ny alalan’ny ordinatera nanjo an’i Etazonia ity. Nosokajian’ny fampahalalam-baovao tandrefana fa fanombohan’ny ady mangatsiaka eo amin’ny Etazonia sy Rosia indray ity tranga ity. Ny tena raharaha dia ilay nahakasika ny voka-pifidianana notanterahana ny 8 novambra teo ilay fisomparana informatika. Filazana izay toa mifono hevitra fa tsy azo antoka ny voka-pifidianana nahalany an’i Donald Trump. Ity farany izay efa nilaza nandritra ny fampielezan-keviny fa hanatsara ny fifandraisana amin’i Rosia.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT