Actualités

Pimaso ho an’Antananarivo Tonga ny kamio hanala « fako politika »…


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Hita nampiasaina tamin’ny Tagnamaro andiany faha-7 ny sabotsy teo ny « camions multibennes » lehibe, nampiasaina nitaona fako nandritra io hetsika io ny 21 septambra.

 

 

Tsara ny fananana fitaovana sy ny fanadiovana tahaka ireny. Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe : an'iza marina ary ireo fiarabe ireo ? An’ny Minisiteran’ny serasera ? An’ny Fiadidian’ny Repoblika ? Fampitaovana vaovao ho an’ny SAMVA ? Ana orinasa na olona malala-tanana ? Volam-panjakana ve no nividianana izany izay tsy nisy tolo-bidy mazava mikasika ny tsenan’asam-panjakana sa an’iza marina ireo ? Ato anatin’ny fotoana akaiky fampielezan-kevitra eto Antananarivo no nanaovan’ny fanjakana izao fihetsika izao. Hatramin’izay niniana navela nivangongo teny ny fako misavovona, izay anjaran’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny rano ny manala azy. Mipoitra avy any ambadibadika any kosa ny fampitaovana amin’izao fotoana izao, izay heverina fa natao hanehoana fa tonga dia miasa sy mijery an’Antananarivo, mba hakana ny fon’ny vahoaka satria akaiky ny fifidianana. Hatrizay anefa ny nampiainana tao anatin’ny fako sy ny loto ny olona satria ninian’ny mpitondra tsy natao araka ny tokony ho izy ny anjara asany mba hanasoketana ny fiadidian’ny tanàna. Azony natao ihany izany fa niniana tsy natao, dia avy eo mody tonga masiaka mitondra vahaolana. Asa efa tokony ho nataony hatrizay ny mitaona ny fako miala eo amin’ny daban-jaoridira, ary ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo dia nilaza fa voaloa ara-dalàna ny vola tokony haloa amin’ny fanesoran’ny SAMVA ny fako. Tsara ny asa tahaka izao, ary mila tohizana fa tsy salorana ambadika politika foana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT