Notanterahina ny tolakandron’ny sabotsy 16 febroary 2019 teo teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny famaranana ny fankalazana ny faha-120 taona niorenan’ny Pharmacie Métropole eny Antaninarenina.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny fotoana, ka tonga nanotrona tao ny minisitry ny fahasalamana, ny minisitry ny paositra, ny sekretera jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nisy ny fiaraha-niala hetaheta, narahin’ny fitsidihana ny Pharmacie Métropole nahafahana nahafantatra ny tantaran’ity toeram-pivarotana fanafody ity nanomboka tany amin’ny fanjanahantany. Raha ny tantara dia, tamin’ny 19 febroary 1898 no notokanan’ny Jeneraly Gallieni tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Maison de la Métropole ny Pharmacie Métropole etsy Antaninarenina. Notolorana ny “Certificat ISO 9001-2015 izay manamarina ny kalitaon’ny vokatra amidiny manoloana ny filan’ny mpanjifa ity Farmasia ity. Nomarihin’ny mpitantana fa tsy nitsahatra niroborobo ny orinasa, ka efa misy efatra ny “Pharmacie Métropole” eto Antananarivo. Notolorana fanomezana ireo rehetra nanatrika tao, ary nofaranana tamin’ny fanapahana mofo mamy ny fanamarihana ny fankalazana izay faha-120 taona izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.