Actualités

Pety Rakotoniana Manaitra ny zandarimariam-pirenena


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Manararaotra ny fikaonandohan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay mihaona eto Antananarivo nanomboka ny 26-30 septambra ka nanao fanairana azy ireo Atoa Pety Rakotoniaina omaly.

Manoloana ny laza ratsy ananan’ny zandarimaria noho ny fihoaram-pefy ataon’ny zandary sasantsasany dia nambaran’ity mpanao politika ity fa tokony hoporofoin’ny zandarimaria fa azo itokisana ny zandary ary vonona amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mbola hamafisin’ity mpanao politika ity ny antso avo amin’ny famongorana ny dahalo any amin’ny Faritra Ikalamavony sy Amoron’i Mania noho ny fisian’ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Ingahivao. Tena mampijaly vahoaka tokoa ity dahalo ity ary mahavita mizara basy sy mamono olona ankitsirano ka efa nanairany ny mpitandro filaminana saingy mbola tsisy andraikitra noraisina. Lazaina matetika fa tsy ampy ny mpitandro filaminana kanefa rehefa misy hetsika politika manozongozona ny mpitondra dia hita ho hary fitaovana sy maro tokoa izy ireo. Any amin’ny resaka laharampahamehana sy “deontolojia” mihintsy no tokony mila jerena satria diso mirona amin’ny politika ny mpitandro filaminana Malagasy ka zary adino ilay teny filamatra hoe hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT