Actualités

Pety Rakotoniaina Nosamborina tao Ikalamavony


  • Alatsinainy 03 Novambra 2014

Nosamborin’ny zandary teny amin’ny toerana fihadiana vato tamin’ny zoma teo ny vatan-dehilahy telo ary avy tamin’ireo no nitadiavany ny nisy ny PDS-n’i Fianarantsoa teo aloha, Pety Rakotoniaina

Nalainy tany an-tranony tao an-tampon-tanànan’Ikalamavony ity mpanao politika ity ary nentina nalaina am-bavany nandritra ny adiny telo tany amin’ny biraon’ny borigadin’ny zandary. Nanodidina ny fitrandrahana vatosoa, lazaina fa tsy ara-dalàna, ataon’ny Fokonolona ao Bevahondrano no namotopotorana azy. Nosavain’ny mpitandro filaminana ihany koa ny tranony, tamin’io fotoana io, noho ny fanangonam-baovao nilaza fa nisy basy sy bala maro nafenina tao, nefa tsy nahitana na inona na inona. Nambaran’i Pety Rakotoniaina fa “fanarontsaronan-javatra fotsiny ity resaka kariera ity fa misy tetika fikononkononana fandemena ara-politika ahy izao filan-kisa natao tamiko izao”. Novakiany bantsilana koa fa ny mpandraharaha nitetika haka io foto-piveloman’ny fokonolona io, ary nitifitra ny fiarany tamin’ny 2012 ihany no ao ambadik’izao fisamborana izao satria te haka an-keriny ny kariera indray izy. Tsy fantatra izay ho tohin’ity resaka “Bevahondrano” ity satria mifanipaka hevitra ihany koa ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mikasika iny fisamborana sy fisavana trano narahina fakana am-bavany iny, hoy ny manamboninahitra iray tsy nanaiky hotononina anarana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT