Niala tamin’ny fahanginany i Pety Rakotoniaina rehefa elaela tsy nandrenesam-peo teo amin’ny sehatra politika. Tsy mamela anay hangina ny fisafotofoton’ny adihevitra momba ny raharaham-pirenena, indrindra amin’izao ankatoky ny fananganana governemanta izao, hoy ity PDS-n’i
Fianarantsoa teo aloha ity. Nahitsy ny teniny nilaza fa “ara-dalàna ny fanendrena ny praiminisitra Ravelonarivo Jean”, toy ny efa natao tamin’ny nanendrena ny praiminisitra Kolo Roger ary “manaja ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena sady taratry ny demokrasia Malagasy”. “Mitady izay hampikatsoana ny firenena ny mifanohitra amin’izay», hoy izy. Mila mijoro ny governemanta ary avelao hiasa hiatrika ny fiainam-bahoaka satria sahirana ny firenena vao nivoaka ny krizy, sahirana toy izany koa ny vahoaka amin’ny afitsoky ny delestazy ary manampy trotraka ny rivodoza.
Tsy nifarana araka ny tokony ho namaranana azy ny tetezamita noho ny kajikajy politika izay nitarika fahasahiranam-bahoaka, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra, ka mandova izany ny fitondrana aty aoriana. Zava-dehibe anefa ny fahasahian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanapa-kevitra hanova ny governemanta ka nanolo ny praiminisitra Kolo Roger nefa olona akaiky azy. “Nihaino ny feom-bahoaka ny filoha”, hoy i Pety ka irianay ny hitohizan’izany fahasahiany izany amin’ny fanendrena ireo olona hanao ny asan’ny governemanta mba tsy hasiana henamaso fa izay tena hitondra vahaolana amin’ny zavatra manahirana ny vahoaka no hotendrena hisian’ny fahombiazana.
Zava-dehibe ihany koa ny fahavononana nasehon’ny filoha tamin’ny nirosoany niaraka amin’ny FFKM amin’ny fahampihavanam-pirenena, izay zavatra tsy sahin’ny fitondrana tetezamita natao tao anatin’ny dimy taona. Mila mpitondra manana fahasahiana ity firenena ity, ka tokony hampiana hahomby. Fotoana tokony hifarimbonana rahateo izao handaminana ny fiainam-bahoaka toy ny nandraisanay andraikitra tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana any Ikalamavony, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina.
Nampahatsiahy ity farany fa tsy nandrotsaka kandida hofidiana ny Tambatra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 noho ny fahitan’izy ireo fa hiteraka olana ny hanaovana fifidianana amin’io lalàmpanorenana io. Rehefa tapaky ny rehetra anefa fa hatao ny fifidianana, hiverenana amin’ny ara-dalàna ka hisian’ny olona voafidy hamaha ny olam-bahoaka, dia “avelao hiasa ny olona voafidy ary avelao hifidy izay tiany hiara-kiasa aminy ny filoha”.
Tany Farafangana moa omaly dia nanipika mazava ny filohan’ny Repoblika fa tsy kisendrasendra na safidifidy ny nanendrena ho praiminisitra ny jeneraly Ravelonarivo Jean, izay zanak’i Farafangana rahateo, fa olona “vonon-kiasa, tia tanindrazana ary hitondra fampandrosoana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.