Misokatra ho an’ny besinimaro manomboka amin’ity volana janoary 2015 ity ny petra-bola «Fihary» eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Tahirim-bolam-panjakana. Tsinjovina manokana amin’izao tolotra vaovao izao ireo tokantrano sy orinasa madinika sy salantsalany
araka ny fanazavana azo teny Antaninarenina omaly nandritra ny fampahafantarana ny mikasika ity vokatra aroson’ny fanjakana ho an’ny mpanjifa ity. Tombontsoa maro no sitrahana miaraka amin’ny petra-bola «Fihary» toy ny petra-bola farany ambany 1 tapitrisa ariary, ny faharetan’ny petra-bola isaky ny 12 volana miaraka amin’ny zana-bola amin’ny taha tsy manan-tsahala 9,11% ho an’ny taona voalohany, 9,94% ny taona faharoa ary 10,7% ny taona fahatelo na koa ny fahafahana manara-maso mangarahara ny fivoaran’ny kaonty tahirin’ireo manana petra-bola. Tsy foana kosa ny petra-bola «par adjucation» teo aloha izay nahazoan’ireo banky miaraka amin’ireo orinasa goavana tombony sy nibaiko mihitsy hatrany amin’ny 80%-n’ny tsena, araka ny fanamarihana nentin’ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana Orlando Robimanana Rivomanantsoa. Tsy vitan’ny fihariana ho an’ny isam-batan’olona fotsiny ny fanokafana petra-bola eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana fa ho famatsiana ihany koa ny tetibolan’ny firenena, hoy ihany ny fanampim-panazavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.