Nisy trangana pesta 174 teto Madagasikara tao anatin’ny efa-bolana farany ny taona 2015. Namoy ny ainy ny 63 amin’ireo. Izay no voaisa. Iaraha-mahalala ny tsy fanatonan’ny olona toeram-pitsaboana entin’ny tsy fananana, ka manao dokotera tenany any ambanivolo any. Mampatahotra anefa ny tarehimarika. Mailo ry zareo Maorisianina ka nandray fepetra hisorohana ny mety hidiran’ity valan’aretina ity any aminy. Mivezivezy rahateo ny olona sy ny entana.
Eny amin’ny seranan-tsambo izao dia takian’izy ireo ny fananan’ny sambo taratasy fanamarinana fa nisy fandrarahana fanafody famonoana voalavo natao nialoha ny niaingan’ny sambo taty Madagasikara mihazo an’i Maorisy. Teny amin’ny seranam-piaramanidina indray dia mandalo fitsapana hafanana avokoa ny olona rehetra avy aty Madagasikara vao migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina any Maorisy, sao misy mafanafana hoditra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.