Actualités

Pesta any Amparafaravola 1 no efa maty, 5 marary mafy


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Olona 14 mianaka no ahiana misy ny soritr’aretina pesta ao amin’ny distrikan’Amparafaravola ka 5 amin’ireo no efa voaporofo fa efa tratra ny aretina ary iray namoy ny ainy ny farany herinandro teo

Amparafaravola izany no distrika faharoa ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro nahitana soritr’aretina pesta taorian’ny distrikan’Andilamena izay nahitana olona 7 namoy ny ainy. Ny tsy fahatanterahana ny hetsika fisorohana matetika no miteraka ny aretina pesta. Tsikaritra ny fitavozavozana ho an’ny tomponandraikitra sasantsasany. Efa ankoditra ny loza raha ny zava-misy any Amparafaravola no asian-teny. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana amin’ny fanadiovana tanàna dia tsy ho voafehy io aretin-dratsy io.Betsaka ny olona no mihorohoro amin’ny fihanaky ity aretina ity. Soa ihany aloha fa nihetsiketsika efa ela ny komity miady amin’ny pesta ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka izay tarihan’ny mpitsabo inspektora Rafalimananarisoa Elson Jedekia raha tsy izany dia efa rakotra pesta ny distrika telo mandrafitra ny faritra Alaotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT