Actualités

PERMIS SY CARTE GRISE BIOMETRIKA Nahemotra amin’ny 31 desambra ny fanavaozana azy


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Nahemotra amin’ny 31 desambra ho avy izao ny fanavaozana farany ny permis sy ny carte grise hanjary ho biometrika.

Fantatra io taorian’ny naoty laharana faha-687-MID/SG navoakan’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana,  omaly alarobia. Mbola manana sivy volana indray,  araka izany, ireo tsy nahavita nanavao ny antontan-taratasiny hahafahany mikarakara ny karany. Antony nandraisan’ny minisitera izao fanapahan-kevitra izao  ny hateren’ny fotoana nefa betsaka ireo fikarakarana tsy maintsy hatao. Anisan’ireny ny taratasy sy ny fitaovana. Aorian’io daty io dia tsy hanan-kery manerana ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ireo “permis de conduire” sy “carte grise” teo aloha rehetra. Miantso ny olon-drehetra tsy hiandry ny ora farany ny tompon’andraikitra vao ho avy hanatona azy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT