Manao tohivakana ny fahatraran’ny “Centre d’immatriculation” etsy Ambohidahy ireo permis tsy izy na ny taratasy fahazoan-dalana vorontsiloza amin’izao fotoana izao,
taorian’ny volana novambra fotoana voatendry tsy maintsy hanoloan’ny rehetra izany ho lasa “biometrique”. Miisa 20.000 hatreto no efa vita ho ana permis miisa 500.000 manerana ny Nosy. Ny 60 tamin’itsy voalohany anefa dia tsy izy avokoa. Anisan’ny nahitana izany ihany koa ny carte grise izay nisy 30 isa teo. Ho an’ity farany manokana, raha ny fanazavan-dRajaonarison Charli tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny CIM, dia nisy ny fampidirana ireo tompony tany am-ponja avy hatrany taorian’ny nandefasana ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Ho an’ny permis kosa indray dia naverina nanao auto école avy hatrany ny tompon’ny permis raha nalefa eny amin’ny fitsarana ihany koa ny raharaha. Nanambara hatrany moa izy fa amin’ny 31 desambra 2016 no fotoana farany hanaovan’izy ireo ny fanoloana ny permis koa hanairany hatrany ny rehetra. 38.000 Ar ny vola aloa ho an’ny permis, vita ao anatin’ny dimy raha 75.000 Ar kosa ny carte grise vita ao anatin’ny 5 andro ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.