Actualités

Permis biometrika Fampijaliana vahoaka !


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Mampahory vahoaka ny fanoloana ny fahazoan-dalana mamily tsotra ho « biometrika ».

Amin’ny 1 ora maraina dia efa milahatra hamonjy amin’ny 8 ora. Manginy fotsiny ny fiaretana amin’ny orana sy ny hatsiaka ary ny masoandro migaina. Manjaka ho azy ny kolikoly satria an-kavitsiana ihany no mahavita miaritra vao maraim-be eny Ambohidahy. Tsy mba misy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana fa dia toerana tokana no handraisana mpanamboatra “pérmis” ana hetsiny.  Fa angaha tsy misy teknolojia nahafahana manao azy ireny ka farafaharatsiny nasiana isaky ny boriborintany 6 ? Tamin’ny frankofonia anefa dia narantiranty fa tsy tara amin’ny fifehezana ny teknolojia isika. Indrisy anefa fa tsy entina hanompoana vahoaka izany fa seho ivelany tamin’ny vahiny fotsiny. Tsy mba tonga ao an’eritreritry ny mpitondra hoe mijaly ny vahoaka ary lasa tompony mangataka atiny. Famolahana ny valalabemandry no mba hany anjara adidiny. Mba azo sainina ve ny hahita ny filoha na ny minisitra iray andeha hilahatra tahaka ny besinimaro izay ampijaliana eny Ambohidahy ? Sa avy any ambony mihitsy ny kolikoly ? Raha hanao fampitahana kely isika dia fanjakana miisa 51 ny Etazonia ka ao anatin’ny 48 ora dia fantatra ny valim-pifidianana ary 10 taona ny fotoana nomena ny mponina hivadihana amin'ny fahazoan-dalana mamily biometrika. 96 departemanta no mandrafitra an’i Frantsa ary  24 ora dia fantatra ny valim-pifidianana filoha. Ny 16 septambra 2013 no nanomboka ny fanavaozana fahazoan-dalana hamily fiara ary haharitra hatramin'ny 19 janoary 2033. I Madagasikara kosa zara raha ahitana faritany 6 kanefa 3 volana vao fantatra ny valim-pifidianana. Herintaona ny fe-potoana nomena hanovana ny fahazoan-dalana hamily ho biometrika. Eto amintsika kosa, sady volosana amin’ny fakana volabe ny vahoaka ary ferana ao anatin’ny taona iray monja izany, kanefa ny fitaovana fanaraha-maso aza toa tsy misy akory.

 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT