Teny amin’ny CCI Ivato omaly tamin’ny fanombohan’ny fivorian’ny RSS (Rindra Safatsiroa ny Sehatry ny fandriampahalemana) hamaritana ny paikady vaovao hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika no nisantaran’i Penjy Randriananarisoa ny kabary ofisialy nataony hatramin’izay nivoahan’ny vokatra ofisialy nanendry azy ho ben’ny tanŕna vaovaon’ny kaominin’Ivato Ambohidratrimo.
Amin’ny maha tompon’ny lakile azy an’ity vavahadin’i Madagasikara ity no nandraisany anjara fitenenana ka niarahabany an’ireo mpizaika rehetra tonga soa teny amin’ny CCI ary nirariany soa ny rehetra koa hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fiaraha-midinika atao ho famahana ny olana mianjady eo amin’ny resaka tsy fandriampahalemana mba ho fampandrosoana ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.