Actualités

Penjy Randrianarisoa Miantso ny mpanao gazety rehetra hiatrika ny fihodinana faha-2


  • Zoma 14 Novambra 2014

Anisan’ireo kandidà nirotsaka hofidiana ho amin’ny toeran’ny filohan’ny holafitry ny asa fanaovan-gazety malagasy farany teo niaraka tamin’ireo namany 5 mirahalahy i Penjy Randrianarisoa avy amin’ny Aceem Radio saingy nailiky ny komity mpikarakara ny fifidianana fa tsy nahafeno ny antontan-taratasy nilaina tamin’izany, na ny marimarina kokoa tsy nanam-bola natao antoka, hoy izy omaly.

Tsy mba nampiaka-peo aho tamin’izany, hoy izy, fa heveriko fa nanao ny asany ara-dalàna ireo namana nandray andraikitra ireo ka dia niroso tamin’ny fanohanana ny kandidà namana Soava Andriamarotafika ny tenako.  Rehefa tsy lany izy dia mitodika any amin’ny namana Gérard Rakotoniriana indray ny safidiko ka hanohana azy aho amin’ny fihodinana faharoa. Tsy midika akory izany fa fahavaloko i Hervé Rakotozanany, namako ihany koa izy fa tsy maintsy misafidy ny tena.  Heveriko fa tokony hirosoana tsy am-pisalasalana ny fihodinana faharoa fa tsy hihemorana izany, raha tsy  tafiditry ny resaka politika koa ity asam-panaovan-gazety ity ? Raha nisy fahadisoana teo amin’ny fikarakarana an’iny fifidianana iny dia tena azo harenina izany, hoy izy, fa tsy fototra hanafoanana ny fifidianana izany. Miantso ny mpanao gazety namana rehetra ny tenako, hoy   i Penjy Randrianarisoa , mba hanefa ny adidy masina hiatrika ny fandatsaham-bato fa efa ela izay tsy nananantsika Holafitra izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT